Fanampiana amin’ny fandalinana
Tenin’ny Fahendrena


Tenin’ny Fahendrena

Lalàn’ny fahasalamana nambaran’ny Tompo ho an’ny tombontsoan’ny vatana sy ny fanahin’ny Olomasina (F&F 89). Lasa fantatra amin’ny hoe “Tenin’ny Fahendrena” izany. Nampianatra ireo mpanaraka Azy fitsipi-pahasalamana mandrakariva ny Tompo. Nambaran’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny karazan-tsakafo tokony hohanina sy ny tsy tokony hohanina, miaraka amin’ny fampanantenana fitahiana ara-nofo sy ara-panahy noho ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena.