Fanampiana amin’ny fandalinana
Fotoampitantanana


Fotoampitantanana

Ny fotoampitantanan’ny filazantsara dia vanim-potoana izay nananan’ny Tompo farafahakeliny mpanompo iray ombàm-pahefana sady mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana masina ety an-tany.

Adama, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Mosesy, i Jesoa Kristy, i Joseph Smith ary ireo hafa dia samy efa nisantatra fotoampitantanana vaovaon’ny filazantsara. Rehefa mametra fotoampitantanana iray ny Tompo dia ambara amin’ny fomba vaovao indray ny filazantsara ka tsy voatery hiantehitra amin’ireo fotoampitantanana efa lasa ny olon’izany fotoampitantanana izany raha ny fahalalana momba ny drafitry ny famonjena. Ny fotoampitantanana natombok’i Joseph Smith dia fantatra amin’ny hoe “fitantanana ny fotoam-pahafenoana.”