Fanampiana amin’ny fandalinana
Heroda


Heroda

Fianakavian’ireo mpanapaka tany Jodia tamin’ny andian’i Jesoa Kristy. Olona nanana anjara toerana lehibe izy ireo tamin’ireo toe-javatra maro ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ilay fianakaviana dia naorin’i Heroda Lehibe izay natahotra ny fahaterahan’ny Mpamonjy (Mat. 2:3) ka nanome didy ny hamonoana ny zazakely ao Betlehema. Anisan’ny zanany lahy i Aristobolo; i Heroda Filipo (Mat. 14:3; Marka 6:17); i Heroda Antipasy, ilay mpanapaka (Mat. 14:1; Lioka 9:7; fantatra koa amin’ny hoe Heroda Mpanjaka, Marka 6:14); i Arkelaosy (Mat. 2:22); ary i Filipo, mpanapaka an’i Itoria (Lioka 3:1). Heroda Agripa Ⅰ (Asa 12:1–23) ary ny anabaviny Herodiasy (Mat. 14:3; Marka 6:17) no zanak’i Aristobolo. Nanana zanaka maro voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao i Heroda Agripa Ⅰ, ka anisan’izany i Heroda Agripa Ⅱ (Asa 25:13), Berenika (Asa 25:13), ary i Drusilla, vadin’i Feliksa (Asa 24:24).