Fanampiana amin’ny fandalinana
Jakoba, Zanakalahin’i Zebedio


Jakoba, Zanakalahin’i Zebedio

Anankiray tamin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo nofidin’i Jesoa nandritra ny asa fanompoany teto amin’ny toetry ny mety maty. Rahalahin’i Jaona izy. Anankiray tamin’ireo Apôstôly telo voafidy hiaraka tamin’i Jesoa tamin’ny vanim-potoana manokana sasantsasany izy: tamin’ny fananganana ny zanakavavin’i Jaïro tamin’ny maty (Mar. 5:37), tamin’ny fiovan-tarehy (Mat. 17:1; Mar. 9:2; Lio. 9:28). ary tao Getsemane (Mat. 26:37; Mar. 14:33). Namerina ny Fisoronana Melkizedeka teto an-tany niaraka tamin’i Petera sy i Jaona tamin’ny fanokanana an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery (F&F 27:12; 128:20; JS—T 1:72).