Faneken’ny Rehetra
Fitsipika izay anohanan’ny mpikambana amin’ny Fiangonana an’ireo voantso hanompo ao amin’ny Fiangonana, mbamin’ireo fanapahan-kevitra hafa an’ny Fiangonana ka mila ny fanohanany ary aseho araka ny mahazatra amin’ny fananganana ny tanana an-kavanana.
Jesoa Kristy no mijoro ho lohan’ny Fiangonany. Amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina no itantanany an’ireo mpitondra ny Fiangonana amin’ny asa na fanapahan-kevitra lehibe. Ny mpikambana rehetra anefa dia manana zo sy tombontsoa hanohana na tsia ny asa sy ny fanapahan-kevitr’ireo mpitondra azy.