Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanendrena, Fanokanana


Fanendrena, Fanokanana

Manendry na manolotra fahefana, na koa anjara fanompoana ny olona iray. Mba hahafahany mampiasa fahefana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo, dia tsy maintsy antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny faminaniana sy amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ireo izay manana fahefana ny olona (Fp. 1:5). Na dia afaka mahazo fahefana amin’ny alalan’ny fanendrena aza ny olona iray, dia eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidy manokana momba izany fahefana izany no ampiasany azy.