Fanampiana amin’ny fandalinana
Mesia


Mesia

Voambolana Aramaika sy Hebreo izay midika hoe “ilay voahosotra.” Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia i Kristy, izay mitovy dika amin’ny Mesia amin’ny teny Grika, no iantsoana an’i Jesoa. Ny heviny dia ilay Mpaminany, Mpisorona, Mpanjaka ary Mpanafaka voahosotra izay nandrasan’i Jiosy fatratra ny fiaviany.

Jiosy maro no tsy niandrandra afa-tsy olona hanafaka azy tamin’ny fahefana Romana sy ny hampiroborobo kokoa ny firenena; koa, rehefa tonga ny Mesia dia nitsipaka Azy ny mpitondra sy ny maro hafa. Ireo nanetry tena sy nahatoky ihany no afa-nahita an’ilay Kristy marina tao amin’i Jesoa avy any Nazareta (Isa. 53; Mat. 16:16; Jao. 4:25–26).