Anaram-boninahitra maneho fanajana lalina sy fankalazana ho an’ Andriamanitra Ray sy ny Mpamonjy Jesoa Kristy. Izany anaram-boninahitra izany dia manondro ny anjara toeran’izy ireo ho toy ny avo indrindra, Tompo be fitiavana an’ireo voariny.
Tsy misy zava-mahagaga tsy hain’ny Tompo, Gen. 18:14 .
Niresaka nifanatri-tava tamin’i Mosesy ny Tompo, Eks. 33:11 .
Tiava an’ny Tompo Andriamanitrao, Deot. 6:5 (Mat. 22:37 ; Mar. 12:30 ).
Raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Jehovah izahay, Jos. 24:15 .
Ny Tompo no mpiandry ahy, Sal. 23:1 .
Ny Tompo mahery tsitoha, mpiady mahery, Sal. 24:8 .
Jehovah Tompo no heriko, Isa. 12:2 (2 Ne. 22:2 ).
Izaho Tompo no Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Isa. 60:16 .
Ny Tompo Andriamanitrao no ho tompoinao, Mat. 4:10 (Lio. 4:8 ).
Zavatra lehibe no nataon’ny Tompo, Mar. 5:19 .
Iray ihany ny Tompo dia Jesoa Kristy, 1 Kor. 8:6 .
Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, Ef. 4:5 .
Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, 1 Tes. 4:16 .
Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo, 1 Ne. 3:7 .
Araka ny rariny no hitsaran’ny Tompo Andriamanitra ny mahantra, 2 Ne. 30:9 .
Ny Tompo Andriamanitra, ny Andriamanitr’i Abrahama no nanafaka ny Isiraelita tamin’ny famatorana, Almà 29:11 .
Tsy misy na inona na inona afaka mamonjy ny vahoaka afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo, Hel. 13:6 (Môzià 3:12 ).
Henoy ny tenin’i Jesoa Kristy Tomponao, F&F 15:1 .
Tadiavo mandrakariva ny tavan’ny Tompo, F&F 101:38 .
Ny Tompo dia hanao akanjo mena amin’ny fiaviany fanindroany, F&F 133:48 (Isa. 63:1–4 ).
Niresaka nifanatrika tamin’ny Tompo i Abrahama, Abr. 3:11 .
Mino isika fa ny fitsipika voalohany amin’ny filazantsara dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, Fp. 1:4 .