Fanampiana amin’ny fandalinana
Dikantenin’i Joseph Smith (DJS)


Dikantenin’i Joseph Smith (DJS)

Famerenana na fandikana indray ny Baiboly King James Version ho amin’ny teny anglisy, izay natombok’i Joseph Smith Mpaminany tamin’ny volana jona 1830. Nodidian’ Andriamanitra izy hanao ny dikanteny ary nihevitra izany ho ampahany amin’ny antso maha-mpaminany azy.

Na vitan’i Joseph aza ny ankabeazan’ny dikanteny tamin’ny volana jolay 1833, dia notohizany mandrapahafatiny tamin’ny taona 1844 ny fanaovana fanitsiana teo am-panomanana ny asa soratra ho an’ny famoahana ho boky. Na navoakany ho boky aza ny sasantsasany tamin’ny dikanteniny fony fahavelony, dia azo heverina ny ho nanaovany fanampim-panitsiana ny asa iray manontolo raha velona teo izy ka namoahana izany ho boky. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany indray no namoaka ny fanontana voalohany ny dikantenin’i Joseph Smith izay araka ny fitaoman’ny fanahy ny taona 1867. Hatramin’izay fotoana izay, dia fanontana maro no efa nataony.

Nianatra zavatra maro ny mpaminany nandritra ny fandikan-teny. Fizarana maro ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no voaray noho ny asa fandikany teny (Ohatra: F&F 76; 77; 91; ary 132). Nomen’ny Tompo koa an’i Joseph ireo toromarika manokana momba ny fandikan-teny, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana (F&F 37:1; 45:60–61; 76:15–18; 90:13; 91; 94:10; 104:58; 124:89). Ny bokin’i Mosesy sy ny Joseph Smith—Matio, tafiditra ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy ankehitriny, dia nalaina mivantana tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith.

Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia namerina indray ny sasany tamin’ireo zavatra tsotra sy sarobidy izay efa very tao amin’ny Baiboly (1 Ne. 13). Na tsy Baiboly ofisialin’ny Fiangonana aza izany, ity dikanteny ity dia manome fanazavana mahaliana maro ary tena mahasoa amin’ny fahatakarana ny Baiboly. Izany koa dia vavolombelona ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny antso sy ny asa fanompoan’i Joseph Smith Mpaminany.