Fanampiana amin’ny fandalinana
Finoana


Finoana

Mino olona na manaiky zavatra ho marina. Tsy maintsy mibebaka ny olona ary mino an’i Jesoa Kristy mba hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (F&F 20:29).

Araka ny ampiasana azy matetika tokoa ao amin’ny soratra masina, ny finoana dia ny fahazoana antoka sy ny fitokiana an’i Jesoa Kristy, izay mitarika ny olona hankatò Azy. Tsy maintsy miompana amin’i Jesoa Kristy ny finoana mba hitarihan’izany ny olona ho amin’ny famonjena. Ny Olomasin’ny Andro Farany koa dia manana finoana an’ Andriamanitra Ray, ny Fanahy Masina, ny herin’ny fisoronana ary ireo lafiny lehibe hafa ao amin’ny filazantsara naverina ho amin’ny laoniny.

Anisan’ny finoana ny fanantenana ny zavatra izay tsy hita nefa marina (Heb. 11:1; Almà 32:21; Ete. 12:6). Ny finoana dia arehitry ny fihainoana ny filazantsara ampianarin’ireo olona nomem-pahefana sady nirahin’ Andriamanitra (Roma. 10:14–17). Ny fahagagana dia tsy miteraka finoana fa ny finoana mahery dia azo avy amin’ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Amin’ny teny hafa, ny finoana dia tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana (Almà 32:40–43; Ete. 12:4, 6, 12; F&F 63:9–12).

Ny finoana marina dia mitondra fahagagana, fahitana, tsindrimandry, fanasitranana ary ireo fanomezam-pahasoavana rehetra avy amin’ Andriamanitra, ka omeny ny olomasiny. Amin’ny alalan’ny finoana no ahazoan’ny olona ny famelana ny fahotany ary ahaizany mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra amin’ny farany. Ny tsy fananana finoana dia mitarika ho amin’ny famoizam-po izay tonga noho ny heloka (Môrô. 10:22).