Fanampiana amin’ny fandalinana
Fonjan’i Liberty, Missouri (Etazonia)


Fonjan’i Liberty, Missouri (Etazonia)

Fonja kely izay nanagadrana tsy ara-drariny ny mpaminany Joseph Smith sy ireo hafa tamin’ny nôvambra 1838 ka hatramin’ny aprily 1839. Tao anatin’izany zava-tsarotra izany i Joseph no nandray fanambarana sasantsasany, naminany, ary nentanim-panahy hanoratra taratasy manan-danja ho an’ireo olomasina, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121–123 ny ampahany.