Fanampiana amin’ny fandalinana
Nehemia


Nehemia

Isiraelita ambony tany Babylona ao amin’ny Testamenta Taloha (na Levita na avy amin’ny fokon’i Joda), nihazona ny andraikitry ny mpitondra kapoaka tao amin’ny lapan’i Artaksersesy, izay nanome azy ny fahefan’ny mpanjaka hanangana indray ny mandan’i Jerosalema.

Ny bokin’i Nehemia

Ity boky ity dia fitohizan’ny bokin’i Ezra. Mirakitra ny fitantarana ny fandrosoana sy ny fahasarotan’ny asa tao Jerosalema taorian’ny niverenan’ny Jiosy avy amin’ny fahababoana tany Babylona izy. Toko 1–7: milaza ny famangian’i Nehemia voalohany an’i Jerosalema sy ny fananganana indray ny mandan’ny tanàna na dia teo aza ny fanoherana mafy. Toko 8–10: manoritsoritra ny fanovàna ara-pivavahana sy ara-piarahamonina nandraman’i Nehemia notontosaina. Toko 11–13: manome ny lisitry ny anaran’ireo izay mendrika sady mitantara ny fanokanana ny manda. Andininy 4–31 amin’ny toko 13: mitantara ny famangian’i Nehemia fanindroany an’i Jerosalema taorian’ny tsy maha-teo an-toerana azy nandritra ny roa ambin’ny folo taona.