Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanoharana


Fanoharana

Tantara tsotra enti-maneho sy mampianatra fahamarinana na fitsipika ara-panahy. Ny fanoharana dia mifototra amin’ny fampitahana fahamarinana iray amin’ny zavatra na fitrangan-javatra fahita an-davanandro, ka matetika no miafina amin’ireo mpihaino izay tsy vonona ara-panahy ny handray azy ny hevitra na hafatra fonosin’ilay fanoharana (Mat. 13:10–17).

Nampianatra tamin’ny fanoharana i Jesoa matetika. Jereo ao amin’ny Filaharan’ireo Filazantsara ao amin’ny tovana ny lisitr’ireo fanoharana fototra nomeny.