Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanomboana


Fanomboana

Fomba Romana nenti-namonoana olona, fahita nandritra ny fotoan’ny Testamenta Vaovao, ka tamin’izany dia nafatotra na nofantsihana teo amin’ny hazofijaliana ny tanana sy ny tongotry ny olona hovonoina ho faty. Mandrakariva dia ireo andevo na ireo mpamono olona gaigilahy no nampiharana izany. Nialohavan’ny fikapohana na ny fikaravasiana mazàna ny fanomboana (Mar. 15:15). Ny olona izay hohomboana dia mazàna nampitondraina ny hazofijaliany ho any amin’ny toerana hamonoana azy (Jao. 19:16–17). Ny akanjony mazàna dia nalain’ireo miaramila izay nanatanteraka ny didim-pitsarana (Mat. 27:35). Natsatoka tamin’ny tany ny hazofijaliana hany ka ny tongotry ny voahombo dia teo amin’ny telopolo na enimpolo santimetatra fotsiny tambonin’ny tany. Nambenan’ny miaramila ilay olona teo amin’ny hazofijaliana mandra-pahafatiny, ka indraindray dia mandany telo andro izany (Jao. 19:31–37).

Nohomboana i Jesoa Kristy, satria nisy andian’olona tsy mpino, izay nanao fiampangana diso, ka nitoroka Azy ho nikomy tamin’i Kaisara sady nanevateva noho Izy nilaza ho Zanak’ Andriamanitra. Nomena an’i Jesoa ny lamba jaky (Jao. 19:2), ny fehiloha tsilo ary ireo faniratsirana hafa (Mat. 26:67; Mar. 14:65).