Fanampiana amin’ny fandalinana
Josefa avy any Arimatia


Josefa avy any Arimatia

Josefa avy any Arimatia dia mpikambana tao amin’ny Synedriona, mpianatr’i Kristy, Isiraelita manan-karena sady mahatoky izay tsy nandray anjara tamin’ny fanamelohana ny Tompontsika. Taorian’ny Fanomboana, dia nasain’i Josefa nofonosina lamba hariry ny vatan’ny Mpamonjy ka naleviny tao amin’ny fasany miendrika zohy (Mat. 27:57–60; Mar. 15:43–46; Lio. 23:50–53; Jao. 19:38–42).