Fanampiana amin’ny fandalinana
Paska


Paska

Naorina ny Fetin’ny Paska mba hanampiana ny zanak’Isiraely hahatsiaro ny nandalovan’ny anjely mpandringana teo amin’ny tranony sy ny nanafahany azy tamin’ny Egyptiana (Eks. 12:21–28; 13:14–15). Ny zanakondry tsy misy kilema, izay nampiasaina ho marika nanavotana an’i Isiraely fahiny ny rany, dia tandindon’i Jesoa Kristy, Ilay Zanakondrin’ Andriamanitra, izay nanavotra ny olombelona rehetra ny sorona nataony.