Fanampiana amin’ny fandalinana
Romana, Epistily ho an’ny


Romana, Epistily ho an’ny

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ireo olomasina tao Roma. Nikasa ny hitsidika an’i Jerosalema izy, fitsidihana izay azo antoka fa notandindomin-doza. Naniry ny hitsidika an’i Roma izy taorian’izany, raha mbola velon’aina. Amin’ny lafiny iray, dia natao hanomanana ny Fiangonana tany mba handray azy amin’ny fiaviany ilay taratasy. Azo raisina ho mirakitra resaka momba ny fotopampianarana sasantsasany izay niadian-kevitra izay noheverin’i Paoly fa efa voalamina koa izany.

Toko 1: mirakitra ny fiarahaban’i Paoly ny Romana. Toko 2–11: ahitana fanambarana maromaro momba ny fotopampianaran’ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana. Toko 12–16: mirakitra fampianarana enti-mampihatra ny fitiavana, ny adidy ary ny fahamasinana.