Fanampiana amin’ny fandalinana
Simeona


Simeona

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny zanakalahy faharoan’i Jakoba sy i Lea vadiny (Gen. 29:33; 35:23; Eks. 1:2). Niaraka tamin’i Levy izy tamin’ny famonoana ny Sekemita (Gen. 34:25–31). Hita ao amin’ny Genesisy 49:5–7 ny faminanian’i Jakoba momba an’i Simeona.

Ny fokon’i Simeona

ny taranak’i Simeona matetika dia niara-nipetraka tamin’ny taranak’i Joda tao amin’ny faritry ny fanjakan’i Joda (Jos. 19:1–9; 1 Tan. 4:24–33). Niaraka tamin’i Joda ny fokon’i Simeona tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Kananita (Mpits. 1:3, 17). Niaraka tamin’ny tafik’i Davida koa izy ireo taty aoriana (1 Tan. 12:25).