Fanampiana amin’ny fandalinana
Testamenta Vaovao


Testamenta Vaovao

Amboaran-tsoratra nentanim-panahy (tamin’ny teny Grika tamin’ny voalohany) momba ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesoa Kristy, ny Apôstôly, ary ireo mpanara-dia hafa an’i Jesoa Kristy. Ny Testamenta Vaovao dia mizara amin’ny ankapobeny ho ireo Filazantsara, ny asan’ny Apôstôly, ireo Epistilin’i Paoly, ireo Epistily ankapobeny, ary ny bokin’ny fanambarana.

Ireo Filazantsara efatra—ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona—dia fitantarana ny fiainan’i Jesoa Kristy. Ny bokin’ny Asan’ny Apôstôly dia mirakitra ny tantaran’ny fiangonana sy ny Apôstôly, indrindra ny dia fitoriana filazantsara nataon’i Paoly taorian’ny nahafatesan’i Kristy. Manome torolalana ho an’ireo mpitondra sy mpikamban’ny fiangonana ny taratasin’i Paoly. Ireo taratasy hafa dia nosoratan’ireo Apôstôly hafa ary manome fanampin-torohevitra ho an’ny Olomasina fahizay. Ny bokin’ny fanambarana izay nosoratan’i Jaona Apôstôly dia mirakitra indrindra ireo faminaniana mikasika ny andro farany.