Fanampiana amin’ny fandalinana
Epistilin’i Paoly


Epistilin’i Paoly

Boky efatra ambin’ny folo ao amin’ny Testamenta Vaovao, izay taratasy nosoratan’i Paoly Apôstôly ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny voalohany. Azo zaraina andiany toy izao manaraka izao izany:

Tesaloniana 1 sy 2 (50–51 taona taorian’i Kristy)

Nanoratra avy any Korinto ny Epistily ho an’ny Tesaloniana i Paoly nandritra ny diany faharoa fitoriana filazantsara. Voatantara ao amin’ny Asan’ny Apôstôly 17 ny asany tany Tesalonika. Naniry ny hiverina tany Tesalonika izy saingy tsy afaka nanao izany (1 Tes. 2:18). Koa naniraka an’i Timoty izy hanatanjaka ireo niova fo sy hanao tatitra ny aminy momba azy ireo. Ny Epistily voalohany dia vokatry ny fankasitrahany tamin’ny fiverenan’i Timoty. Nosoratana fotoana fohy taorian’izany ny Epistily faharoa.

Korintiana 1 sy 2, Galatiana, Romana (55–57 taona taorian’i Kristy)

Nanoratra ny epistily ho an’ny Korintiana i Paoly nandritra ny diany fahatelo fitoriana filazantsara mba hamaliana ireo fanontaniana sy hanitsiana ny korontana teo anivon’ireo Olomasina tany Korinto.

Ny epistily ho an’ny Galatiana dia mety ho nosoratana ho an’ireo sampana maron’ny Fiangonana manerana an’i Galatia. Namela ny filazantsara ho an’ny lalàn’ny Jiosy ny mpikamban’ny Fiangonana sasany. Hazavain’i Paoly ao amin’io taratasy io ny tanjon’ny lalàn’i Mosesy sy ny lanjan’ny fivavahana araka ny fanahy.

Nosoratan’i Paoly avy any Korinto ny epistily ho an’ny Romana mba hanomanana amin’ny ampahan’ny Olomasina Romana amin’ny famangiana kasainy hatao azy ireo. Manamafy ireo fotopampianarana izay nolavin’ny Jiosy sasany efa niova fo ho Kristiana koa io taratasy io.

Filipiana, Kolosiana, Efesiana, Filemona, Hebreo (60–62 taona taorian’i Kristy)

Nanoratra ireo epistily ireo i Paoly fony izy nigadra voalohany tany Roma.

Nanoratra ny epistily ho an’ny Filipiana i Paoly mba hanehoana indrindra ny fankasitrahany sy ny fitiavany ireo Olomasina Filipiana sy hankaherezana azy ireo amin’ny alahelony noho ny figadrany maharitra.

Nanoratra ny epistily ho an’ny Kolosiana i Paoly noho ny tatitra milaza ny fahalavoan’ireo Olomasina Kolosiana tao amin’ny fahadisoan-kevitra lehibe. Nino izy ireo fa ny fahatanterahana dia tonga amin’ny alalan’ny fanarahana tsy misy tomika ireo ôrdônansy ivelany fotsiny ihany fa tsy ny fiezahana hanana toetra araka an’i Kristy.

Ny epistily ho an’ny Efesiana dia manan-danja lehibe noho izy mirakitra ny fampianaran’i Paoly momba ny Fiangonan’i Kristy.

Ny epistily ho an’i Filemona dia taratasy manokana momba an’i Onesimosy, andevo izay nandroba an’i Filemona tompony ary nandositra tany Roma. Naverin’i Paoly nankany amin’ny tompony i Onesimosy, niaraka tamin’ny taratasy mangataka ny hamelàna an’i Onesimosy.

Nanoratra ny epistily ho an’ny Hebreo tamin’ireo Jiosy mpikamban’ny Fiangonana i Paoly mba handresy lahatra azy fa efa tanteraka tao amin’i Kristy ny lalàn’i Mosesy ary efa nisolo izany ny lalàn’ny filazantsaran’i Kristy.

Timoty 1 sy 2, Titosy (64–65 taona taorian’i Kristy)

Nanoratra ireo epistily ireo i Paoly taorian’ny nivoahany voalohany tao amin’ny fonjan’i Roma.

Nankany Efesosy i Paoly ka namela an’i Timoty tao hampitsahatra ny fielezan’ny karazana famin’nyvinana, ary nikasa ny hiverina izy avy eo. Nanoratra ny epistiliny voalohany ho an’i Timoty izy, angamba avy any Makedonia, mba hanoroan-kevitra sy hampaherezana azy amin’ny fanatanterahana ny adidiny.

Nanoratra ny epistily ho an’i Titosy i Paoly nandritra ny fotoana tsy nigadrany. Mety ho namangy an’i Kreta izay toerana nanompoan’i Titosy izy. Mikasika indrindra ny fiainana amim-pahamarinana sy ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana io taratasy io.

Nanoratra ny epistiliny faharoa ho an’i Timoty i Paoly fony izy voafonja fanindroany, tsy ela talohan’ny namonoana an’i Paoly ho maritiora. Mirakitra ny teny farany nataon’i Paoly izany epistily izany ary maneho ny herim-po sy fahatokiana mahagaga nentiny niatrika ny fahafatesana.