Fanampiana amin’ny fandalinana
Tempoly, Tranon’ny Tompo


Tempoly, Tranon’ny Tompo

Ny tranon’ny Tompo ara-bakiteny. Nandidy mandrakariva ny olony ny Tompo hanorina tempoly, trano masina izay anatanterahan’ny olomasina mendrika ireo fombafomba masina sy ôrdônansin’ny filazantsara ho an’ny tenany sy ho an’ny maty. Mamangy ny tempoliny ny Tompo, ary toerana masina indrindra amin’ny toeram-pivavahana rehetra ireny.

Ny tabernakely natsangan’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely dia tempoly azo afindrafindra. Nampiasa izany ny Isiraelita nandritra ny fivoahany avy any Egypta.

Ny tempoly fanta-daza indrindra voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha dia ilay naorin’i Solomona tany Jerosalema (2 Tan. 2–5). Noravan’ny Babyloniana izany tamin’ny 587 taona talohan’i Kristy, ary natsangan’i Zerobabela indray sahabo ho 70 taona taty aoriana (Ezra 1–6). May tamin’ny 37 taona talohan’i Kristy ny ampahan’izany tempoly izany, ary namboarin’i Heroda lehibe taty aoriana. Noravan’ny Romana ilay tempoly ny 70 taona taorian’i Kristy.

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ireo olo-marina mpanaraka an’ Andriamanitra dia notarihina hanangana tempoly sy hivavaka ao (2 Ne. 5:16; Môzià 1:18; 3 Ne. 11:1). Ny fananganana sy fampiasana ny tempoly araka ny tokony ho izy dia mariky ny fiangonana marina tamin’ny fotoampitantanana rehetra, ka isan’izany ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny amin’izao androntsika izao. Ny Tempolin’i Kirtland no tempoly natsangana sy natokana voalohany ho an’ny Tompo amin’izao Fotoampitantanana izao. Hatramin’io fotoana io dia tempoly maro no natokana tamin’ny toerana maro manerana ny tany.