Fampitandremana Jereo koa Mpiambina Manome fampiomanana na fanairana. Ny mpaminany, ny mpitondra ary ny ray aman-dreny dia mampitandrina sy mampianatra ny hafa hankatò ny didin’ Andriamanitra sy ny fampianarany. I Jakoba dia nampitandrina ny vahoakan’i Nefia amin’ny karazan’ota rehetra, Jkb. 3:12. Miantefa amin’ny olon-drehetra ny feo fampitandremana, F&F 1:4. Aoka ny fitorianareo ho feo fampitandremana, F&F 38:41. Izao no andro fampitandremana, F&F 63:58. Ny olona tsirairay izay efa nampitandremana dia tokony hampitandrina ny namany, F&F 88:81. Efa nampitandremako ianareo ary efa nilazako mialoha amin’ny fanomezana anareo ity tenin’ny fahendrena ity, F&F 89:4.