Fanampiana amin’ny fandalinana
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana


Fotopampianarana sy Fanekempihavanana

Fitambaran’ireo fanambarana avy amin’ Andriamanitra sy filazana avy amin’ny fanentanan’ny fanahy amin’ny Andro Farany. Nomen’ny Tompo an’i Joseph Smith sy ny maro tamin’ireo mpandimby azy izany ho fanorenana sy ho fitantanana ny fanjakan’ Andriamanitra eto an-tany amin’ny Andro Farany. Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia anankiray amin’ireo Soratra Masina ankatoavin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ankoatra ny Baiboly, ny Bokin’i Môrmôna ary ny Voahangy Lafo Vidy. Tokana anefa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, satria tsy fandikana tahirin-kevitra tranainy izany; ny Tompo no nanome ireny fanambarana ireny ho an’ireo mpaminany nofinidiny amin’izao andro ankehitriny izao mba hamerenana indray ny fanjakany. Ao amin’ireo fanambarana no andrenesan’ny olona ny feo malefaka nefa hentitra, an’i Jesoa Kristy Tompo (F&F 18:35–36).

Nilaza ny tantaran’i Joseph Smith fa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana no fototry ny Fiangonana amin’ny andro farany sady tombontsoan’izao tontolo izao (F&F 70 sasin-teny). Ny fanambarana ao amin’izany no misantatra ny asa fanomanana lalana ho an’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany ho fanatanterahana ny teny rehetra nolazain’ireo mpaminany hatry ny niandohan’izao tontolo izao.