Fanampiana amin’ny fandalinana
Whitmer, David


Whitmer, David

Isan’ny mpitondra voalohany tao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ary iray amin’ireo vavolombelona telo ny amin’ny maha-avy amin’ Andriamanitra sy ny maha-marina ny Bokin’i Môrmôna (F&F 14; 17–18). Nanome azy toromarika manokana ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14 sy 30:1–4.