Fanampiana amin’ny fandalinana
Mpisorona avo


Mpisorona avo

Anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Manana heviny roa ny teny hoe ny “Mpisorona Avo” ao amin’ny soratra masina: (1) anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka; ary (2) ny mpitarika mpiahy ao amin’ny fisoronana Aharôna tamin’ny alalan’i Mosesy.

Manondro an’i Jesoa Kristy ny heviny voalohany, amin’ny maha-Mpisorona Avo lehibe Azy. Mpisorona avo koa i Adama mbamin’ireo patriarika rehetra. Ankehitriny dia mpisorona avo miahy telo no miforona ho Fiadidian’ny Fiangonana ary miahy an’ireo mpihazona ny fisoronana rehetra sy mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Ankehitriny dia atokana ho mpisorona avo ny lehilahy mendrika hafa araka ny mahamety izany manerana ny Fiangonana. Ny mpisorona avo dia azo antsoina sy atokana ary hamasinina ho eveka (F&F 68:19; 107:69–71).

Amin’ny heviny faharoa dia ny mpitarika mpiahy ao amin’ny Fisoronana Aharôna no natao hoe mpisorona avo tamin’ny lalàn’i Mosesy. Nifandovana ny anjara fanompoana ary tonga tamin’ny alalan’ny lahimatoa teo anivon’ny fianakavian’i Aharôna izany, ka izy Aharôna mihitsy no mpisorona avo voalohany tamin’ny lamin’i Aharôna (Eks. 28–29; Lev. 8; F&F 84:18).