Fanampiana amin’ny fandalinana
Joda (Testamenta Taloha)


Joda (Testamenta Taloha)

Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny zanakalahy fahefatr’i Jakoba sy i Lea (Gen. 29:35; 37:26–27; 43:3, 8; 44:16; 49:8). Nitahy an’i Joda i Jakoba fa ho mpitondra azy eo anivon’ireo zanakalahin’i Jakoba izy ary ho taranany i Silo (Jesoa Kristy) (Gen. 49:10).

Ny fokon’i Joda

Ny fokon’i Joda no nitarika taorian’ny fanorenam-ponenana teo Kanana. Ny fokon’i Efraima no tena nifandrafy taminy. Nitsodrano ny fokon’i Joda i Mosesy (Deot. 33:7). Taorian’ny fitondran’i Solomona dia nanjary fanjakan’i Joda ny fokon’i Joda.

Ny fanjakan’i Joda

Nivaky roa niavaka tsara ny fanjakan’i Solomona tamin’ny nitondran’i Rehoboama, ny antony dia noho ny fialonana nisy teo amin’ireo fokon’i Efraima sy i Joda. Ny fanjakana atsimo, na fanjakan’i Joda dia nahitana ny fokon’i Joda mbamin’ny ampahany be tamin’ny Benjamin’ny. Jerosalema no renivohiny. Amin’ny ankapobeny dia nitoetra ho nahatoky kokoa tamin’ny fiderana an’i Jehovah izany noho ny fanjakana avaratra. Vitsy kokoa ny fanafihana an’i Joda avy any avaratra sy avy any atsinanana, ary nijanona teo an-tanan’ny mpianakavin’i Davida ny fahefana faratampony ambara-pahatongan’ny fahababoana tany Babylona. Nahavita naharitra 135 taona taorian’ny fianjeran’i Isiraely be mponina sy mahery kokoa ny fanjakan’i Joda.

Ny tapa-kazon’i Joda

Izany dia manondro ny Baiboly ho rakitsoratry ny mpianakavin’i Joda (Ezek. 37:15–19). Amin’ny andro farany, rehefa angonina ireo sampana samihafa amin’ny mpianakavin’i Isiraely, dia hiara-hangonina ihany koa ny rakitsoratra masiny. Mifameno ireny rakitsoratra masina ireny ary miforona ho tenivavolombelona tafatambatra fa i Jesoa no Kristy, ilay Andriamanitry ny Isiraely sy ilay Andriamanitry ny tany manontolo (DJS, Gen. 50:24–36 [Tovana]; 2 Ne. 3; 29).