Fanampiana amin’ny fandalinana
Batisan’ny Zaza


Batisan’ny Zaza

Fomba tsy ilaina ny fanaovana batisa ny zazakely sy ny ankizy tsy mbola mahatratra ny taona maha-tompon’andraikitra, izay valo taona. Manameloka ny batisan’ny zaza ny Tompo (Môrô. 8:10–21). Nateraka ho zazabodo tsy manam-pahotana ny ankizy. Tsy manan-kery haka fanahy ny ankizy i Satana raha tsy efa azo ampamoahina izy ireo (F&F 29:46–47), koa tsy tokony hibebaka na hatao batisa izy ireo. Tokony hatao batisa ny ankizy rehefa feno valo taona (F&F 68:25–27).