Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahitana


Fahitana

Fahitana amin’ny maso ny zava-mitranga, na olona, na zavatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina.

Ohatra amin’ny fahitana manan-danja ireto manaraka ireto: Ny fahitan’i Ezekiela ny andro farany (Ezek. 37–39), ny fahitan’i Stefana an’i Jesoa mitsangana eo an-kavanan’ Andriamanitra (Asa 7:55–56), ny fanambaran’i Jaona momba ny andro farany (Apôk. 4–21), ny fahitan’i Lehia sy Nefia ny hazon’aina (1 Ne. 8; 10–14), ny fahitan’i Almà zanany ny anjelin’ny Tompo (Môzià 27), ny fahitan’ny rahalahin’i Jareda ny mponin’ny tany rehetra (Ete. 3:25), ny fahitana ireo voninahitra (F&F 76), ireo fahitana nomena an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny tempolin’i Kirtland (F&F 110), ny fahitan’i Joseph F. Smith ny fanavotana ny maty (F&F 138), ny fahitan’i Mosesy an’ Andriamanitra sy ny fahariany (Mos. 1), ny fahitan’i Enoka an’ Andriamanitra (Mos. 6–7), ary ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith (JS—T 1).