Fanampiana amin’ny fandalinana
Robena


Robena

Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanaka lahimatoan’i Jakoba sy i Lea (Gen. 29:32; 37:21–22, 29; 42:22, 37). Na dia voalohan-teraka aza i Robena, dia nanary ny fizokiany noho ny fahotana izy (Gen. 35:22; 49:3–4).

Ny fokon’i Robena

Hita ao amin’ny Genesisy 49:3 sy ny Deoteronomia 33:6 ny tsodranon’i Jakoba tamin’i Robena. Nihena miandalana ny isan’io foko io, ary na dia mbola misy aza izy, dia nihena ny lanjany ara-pôlitika. Nifindra tamin’i Josefa sy ny zanany ny fizokian’i Robena noho i Josefa lahimatoan’i Rahely izay vadin’i Jakoba faharoa (1 Tan. 5:1–2).