Fanampiana amin’ny fandalinana
Timoty


Timoty

Ao amin’ny Testamenta Vaovao, misiônera tanora mpiara-miasa tamin’i Paoly nandritra ny asa fanompoan’i Paoly (Asa 16:1–3; 2 Tim. 1:1–5), Grika ny rainy ary Jiosy ny reniny, ary nonina tany Listra izy sy ny ray aman-dreniny.

Nilaza an’i Timoty ho “tena zanany amin’ny finoana i Paoly” (1 Tim. 1:2, 18; 2 Tim. 1:2). I Timoty angamba no mpanampy mahomby sady nitokisan’i Paoly indrindra (Filip. 2:19–23).