Fanampiana amin’ny fandalinana
Jiosy


Jiosy

Ny Jiosy dia mety ho (1) ireo taranak’i Joda, anankiray amin’ireo zanakalahin’i Jakoba roa ambin’ny folo, (2) ny mponin’ny fanjakan’i Joda atsimo fahiny na (3) ny vahoaka izay manaraka fivavahana, fomba fiaina sy nentin-drazana avy amin’ny Jodaisma fa mety ho Jiosy na tsia ara-pirazanana. Nanjary nahazatra ny mampiasa ny teny hoe Jiosy ilazana ny taranak’i Jakoba rehetra saingy diso izany. Tokony ho ferana amin’ireo avy amin’ny fanjakan’i Joda ary indrindra indrindra ireo avy amin’ny fokon’i Joda sy ny iray tarika aminy ihany izany.