Fanampiana amin’ny fandalinana
Elia


Elia

Mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha izay niverina indray tamin’ny andro farany mba hanolotra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo fanalahidin’ny fahefana mamehy. Nanompo tao amin’ny fanjakan’i Isiraely Avaratra i Elia tamin’ny androny (1 Mpan. 17–22; 2 Mpan. 1–2). Nanam-pinoana lehibe ny Tompo izy ary fantatra noho ireo fahagagana maro. Noho ny fangatahany dia nosakanan’ Andriamanitra tsy hilatsaka nandritra ny 3 taona sy tapany ny orana. Nanangana zazalahy iray tamin’ny maty izy ary niantso mba hilatsahan’ny afo avy any an-danitra (1 Mpan. 17–18). Mbola miandry an’i Elia hiverina araka ny faminanian’i Malakia ny vahoaka Jiosy (Mal. 3:23). Mitoetra ho vahiny nasaina i Elia amin’ny Fetin’ny Paska Jiosy, izay amohana ny varavarana sy anokanana seza iray ho azy mandrakariva.

Nilaza i Joseph Smith Mpaminany fa i Elia no nihazona ny fahefana mamehy an’ny Fisoronana Melkizedeka ary mpaminany farany nanao izany talohan’ny fotoanan’i Jesoa Kristy. Niara-niseho tamin’i Mosesy teo an-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy izy ary nanolotra an’i Petera, i Jakoba ary i Jaona ireo fanalahidin’ny fisoronana (Mat. 17:3). Niara-niseho indray tamin’i Mosesy sy ireo hafa tao amin’ny tempolin’i Kirtland, Ohio, izy ny 3 aprily 1836 ka nanolotra an’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ireo fanalahidy ireo ihany (F&F 110:13–16). Izany rehetra izany dia natao ho fanomanana ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany araka ny voalaza ao amin’ny Malakia 3:23–24.

Ny fahefan’i Elia dia ny fahefana mamehy an’ny fisoronana ka ny zavatra izay feheziny na vahany ety an-tany dia fehezina na vahana any an-danitra (F&F 128:8–18). Ireo mpanompo nofinidin’ny Tompo ety an-tany ankehitriny no manana ity fahefana mamehy ity ka manatanteraka ireo ôrdônansy mahavonjy an’ny filazantsara ho an’ny velona sy ny maty (F&F 128:8).