Fanampiana amin’ny fandalinana
Estera


Estera

Vehivavy manana finoana lehibe ary olona ifotoran’ny bokin’i Estera manontolo.

Ny bokin’i Estera

Boky iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay mirakitra ny tantaran’ny herim-pon’ny Mpanjakavavy Estera izay namonjy ny olony tamin’ny famongorana.

Toko 1–2: milaza ny fomba nifidianana an’i Estera, izay vehivavy Jiosy sady zaza natsangan’ny lehilahy Jiosy atao hoe Mordekay ho zanakavaviny, ho mpanjakavavin’i Persia noho ny hatsaran-tarehiny. Ny toko 3 dia manazava fa nankahala an’i Mordekay i Hamana, ilay lohany tamin’ny tandapan’ny mpanjaka ary nahazo didim-pitondrana hampamonoana ny vahoaka Jiosy rehetra. Toko 4–10: milaza fa nanao vivery ny ainy mihitsy i Estera ka namboraka ny zom-pireneny tamin’ny mpanjaka ary nahazo nanafoana an’ilay didim-pitondrana.