Fanampiana amin’ny fandalinana
Hagay


Hagay

Mpaminany iray ao amin’ny Testamenta Taloha, izay naminany tao Jerosalema sahabo ho 520 taona talohan’i Kristy fotoana fohy taorian’ny niverenan’ny vahoaka Jiosy avy tany an-tsesitany tany Babylonia (Ezra 5:1; 6:14). Niresaka ny amin’ny fananganana indray ny tempolin’ny Tompo ao Jerosalema izy ary nandevilevy ny vahoaka satria tsy vita izany. Nanoratra koa ny momba ny tempolin’ny arivotaona sy ny fanjakan’ny Mpamonjy izy.

Ny bokin’i Hagay

Ao amin’ny toko 1, dia nandevilevy ny vahoaka ny Tompo noho izy ireo nahatsangana ny trano onenany raha tsy voatsangana kosa ny tempoly. Toko 2 dia mirakitra ny faminanian’i Hagay fa hanome fiadanana ao amin’ny tempoliny ny Tompo.