Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanehoana An’ohatra


Fanehoana An’ohatra

Fampiasana zavatra iray ho toy ny tandindona na sarin’ny zavatra iray hafa. Ao amin’ny soratra masina, ny fanehoana an’ohatra dia mampiasa fitaovana na zava-mitranga na zava-misy mahazatra ho enti-maneho fitsipika na fampianaran’ny filazantsara. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ohatra, ny mpaminany Almà dia mampiasa ny voa ho enti-maneho ny tenin’ Andriamanitra (Almà 32).

Nampiasa fanehoana an’ohatra ireo mpaminany ao amin’ny soratra masina hampianarana mikasika an’i Jesoa Kristy. Ny sasany amin’ireo sariohatra ireo dia mirakitra ny fombafomba sy ôrdônansy (Mos. 6:63), ny sorona (Heb. 9:11–15; Mos. 5:7–8), ny fanasan’ny Tompo (DJS, Mar. 14:20–24 [Tovana]; Lioka 22:13–20), ary ny batisa (Roma. 6:1–6; F&F 128:12–13). Maro amin’ireo anarana ao amin’ny Baiboly no fanehoana an’ohatra. Maneho fahamarinana mandrakizay ny fombafomban’ny tabernakely sy ny lalàn’i Mosesy ao amin’ny Testamenta Taloha (Heb. 8–10; Môzià 13:29–32; Almà 25:15; Hel. 8:14–15). Ny amin’ny ohatra hafa, jereo, Matio 5:13–16; Jao. 3:14–15; Jkb. 4:5; Almà 37:38–45.