Fanampiana amin’ny fandalinana
Miaiky


Miaiky

Manana hevitra roa farafahakeliny ny teny hoe fiekena ao amin’ny soratra masina. Amin’ny heviny anankiray, ny hoe miaiky dia milaza ny finoany zavatra iray, toy ny hoe miaiky fa i Jesoa no Kristy (Mat. 10:32; Roma. 10:9; 1 Jn. 4:1–3; F&F 88:104).

Amin’ny heviny anankiray hafa, ny hoe miaiky dia mitsotra ny hadisoan’ny tena, toy ny miaiky ny fahotana. Adidin’ny olon-drehetra ny miaiky ny fahotany rehetra amin’ny Tompo ary mahazo avy Aminy ny famelana ny helony (F&F 58:42–43). Tokony hibabohana amin’ny olona nanaovana hadisoana ireo ota rehefa ilaina izany. Ny hadisoana bevava dia tokony hibabohana amin’ny mpitondra Fiangonana (amin’ny eveka amin’ny ankapobeny).