Fanampiana amin’ny fandalinana
Sadraka


Sadraka

Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-nego dia zatovo lahy Isiraelita telo izay nentina niaraka tamin’i Daniela nankao an-dapan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Hanania no anarana Hebreo nentin’i Sadraka. Nandà ny handoto ny tenany amin’ny fihinanana ny hanina sy ny divain’ny mpanjaka ireo zatovolahy efatra ireo (Dan. 1). Natsipin’ny mpanjaka tao amin’ny lafaoro mirehitra afo i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-nego saingy voaro tamin’ny fomba mahagaga (Dan. 3).