Fanampiana amin’ny fandalinana
Bokim-pahatsiarovana


Bokim-pahatsiarovana

Boky natombok’i Adama izay nanoratana ny asan’ny taranany; na koa izay mety ho rakitsoratra mitovy amin’izany ka notanan’ireo mpaminany sy mpikambana mahatoky hatramin’izany fotoana izany. Adama sy ny zanany dia nitana bokim-pahatsiarovana izay nanoratany araka ny fitaoman’ny fanahy, sy bokin’ny taranaka izay nirakitra ny tetiarana (Mos. 6:5, 8). Ny rakitsoratra toy izany dia mety hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny famaritana ny ho fitsarana farany antsika.