Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanahy (Fitambaran’ny Vatana sy ny Fanahy)


Fanahy (Fitambaran’ny Vatana sy ny Fanahy)

Miresaka mikasika ny fanahy amin’ny lafiny telo ny soratra masina: (1) fanahy talohan’ny fiainana an-tany sy aorian’ny fiainana an-tany (Almà 40:11–14; Abr. 3:23); (2) fanahy sy vatana tafatambatra ao amin’ny mety maty (F&F 88:15; Abr. 5:7); ary (3) olona tafatsangana sy tsy mety maty izay tafatambatra tsy azo sarahina ny fanahiny sy ny vatany (2 Ne. 9:13; F&F 88:15–16).

Hasarobidin’ny olona

Fanahy zanak’ Andriamanitra ny olona rehetra. Miahy ny zanany rehetra Izy ary mihevitra ny tsirairay aminy ho manan-danja lehibe. Noho izy ireo zanany dia afaka ho tonga toa Azy izy ireo. Koa sarobidy izy ireo.