Fanampiana amin’ny fandalinana
Losifera


Losifera

Anarana midika hoe ilay “Mamirapiratra” na “Mpitondra hazavana.” Fantatra koa amin’ny anarana hoe Zanaky ny maraina izy. Fanahy iray zanaky ny Ray any an-danitra i Losifera, ary nitarika fikomiana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Indray mandeha monja no ahitana ny anarana hoe Losifera ao amin’ny Baiboly. (Isa. 14:12). Mitantara amin’ny antsipiriany kokoa momba ny fianjeran’i Losifera ny fanambaran’ny andro farany (F&F 76:25–29).