Fanampiana amin’ny fandalinana
Jerosalema Vaovao


Jerosalema Vaovao

Toerana hiangonan’ny Olomasina sy hanjakan’i Kristy tenany mihitsy miaraka amin’izy ireo mandritra ny Arivotaona. Hatsangana eo ambonin’ny Kaontinanta Amerikana i Ziona (Jerosalema Vaovao) ary hohavaozina sy handray ny voninahitry ny paradisany ny tany (Fp. 1:10). Enti-manondro ny tanàna masina izay hidina avy any an-danitra amin’ny fiandohan’ny Arivotaona koa izany.