Fanampiana amin’ny fandalinana
Fahasoavana


Fahasoavana

Hery mampahatanjaka avy amin’ Andriamanitra, izay mamela ny lehilahy sy ny vehivavy hahazo fitahiana eo amin’ity fiainana ity ary hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa avy nampihatra finoana, nibebaka ary nanao ny ezaka tsara indrindra mba hitandrina ny didy. Ny fanampiana sy ny tanjaka avy amin’ Andriamanitra toy izany dia omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny olona rehetra mety maty dia mila ny Fahasoavan’ Andriamanitra noho ny fahalavoan’i Adama, ary koa noho ny fahalemen’ny olona.