Olo-marina, masina, tsara toetra, mahitsy; mandeha amin’ny fankatoavana ny didin’ Andriamanitra; mifady ny fahotana. Fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy (F&F 93:24 ). Ny fahamarinana dia enti-milaza koa ny fahazavana sy fanambarana avy any an-danitra.
Hitahy ny marina ny Tompo, Sal. 5:12 .
Mitsinjo ny marina ny mason’ny Tompo, Sal. 34:15, 17 (1 Pet. 3:12 ).
Ny fahamarinana hitsimoka amin’ny tany, Sal. 85:11 (Mos. 7:62 ).
Mifaly ny vahoaka raha ny marina no manapaka, Ohab. 29:2 (F&F 98:9–10 ).
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana, Mat. 5:6 (3 Ne. 12:6 ).
Katsaho aloha ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, Mat. 6:33 .
Ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay, Mat. 25:46 .
Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo, Jao. 8:32 .
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, Jao. 14:6 .
Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra, Jak. 5:16 .
Raha hoy isika hoe, tsy manana ota isika, ny marina tsy ato anatintsika, 1 Jn. 1:8 .
Sarotra ho an’ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana, 1 Ne. 16:2 .
Izay marina no ankasitrahan’ Andriamanitra, 1 Ne. 17:35 .
Hotsimbininy ny marina, tsy mila matahotra ny marina, 1 Ne. 22:17, 22 .
Noho ny fahamarinan’ny olon’ny Tompo, dia tsy hanam-pahefana i Satana, 1 Ne. 22:26 .
Ary raha tsy misy fahamarinana dia tsy misy fahasambarana, 2 Ne. 2:13 .
Ny marina no handova ny fanjakan’ Andriamanitra, 2 Ne. 9:18 .
Ny marina tsy matahotra ny tenin’ny fahamarinana, 2 Ne. 9:40 .
Ny marina tia ny fahamarinana, 2 Ne. 9:40 .
Fa milaza ny fahamarinana ny Fanahy ary tsy mandainga, Jkb. 4:13 .
Ny olombelona rehetra dia tsy maintsy ovaina ho amin’ny toetry ny fahamarinana, Môzià 27:25–26 .
Ny anaran’ny marina dia hosoratana ao amin’ny bokin’ny fiainana, Almà 5:58 .
Efa nikatsaka ny fahasambarana ianareo tamin’ny fanaovana heloka izay zavatra mifanohitra amin’ny toetran’ny fahamarinana, Hel. 13:38 .
Ianao dia Andriamanitry ny fahamarinana, ary tsy afaka mandainga, Ete. 3:12 .
Ary amin’ny herin’ny Fanahy Masina dia azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra, Môrô. 10:5 .
Ny fahamarinana dia mitoetra mandrakizay mandrakizay, F&F 1:39 .
Efa nohazavain’ny Fanahin’ny fahamarinana ianao, F&F 6:15 .
Ny Bokin’i Môrmôna, dia mirakitra ny fahamarinana sy ny tenin’ Andriamanitra, F&F 19:26 .
Ny hiran’ny marina dia vavaka ho Ahy, F&F 25:12 .
Mifahara, miaraka amin’ny rariny ho saron-tratra, F&F 27:16 (Ef. 6:14 ).
Ho mamy amin’ny olo-marina ny fahafatesana, F&F 42:46 .
Ny olo-marina dia hangonina avy any anivon’ny firenen-drehetra, F&F 45:71 .
Ny mpampionona dia nalefa hampianatra ny fahamarinana, F&F 50:14 .
Izay mandray ny teny amin’ny alalan’ny Fanahin’ny fahamarinana dia mandray izany araka izay itorian’ny Fanahin’ny fahamarinana izany, F&F 50:17–22 .
Ny olona dia tokony hampihatra fahamarinana fatratra amin’ny nahim-pony, F&F 58:27 .
Izay manao ny asan’ny fahamarinana dia handray fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, F&F 59:23 .
Amin’ny Fiaviana Fanindroany dia hitranga ny fisarahana tanteraka eo amin’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, F&F 63:54 .
Manambarà ny fahamarinana araka ny fanambarana sy ny didy izay efa nomeko anareo, F&F 75:3–4 .
Izay rehetra fahamarinana dia fahazavana, F&F 84:45 .
Ny fahazavan’i Kristy no fahazavan’ny fahamarinana, F&F 88:6–7, 40 .
Ny Fanahiko dia fahamarinana, F&F 88:66 .
Ny faharanitan-tsaina na ny fahazavan’ny fahamarinana dia tsy noharina, F&F 93:29 .
Ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny faharanitan-tsaina, na fahazavana sy fahamarinana, F&F 93:36 .
Efa nodidiko ianareo hitaiza ny zanakareo ao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana, F&F 93:40 .
Ny herin’ny Lanitra dia tsy azo fehezina raha tsy araka ireo fitsipiky ny fahamarinana, F&F 121:36 .
Teo anivon’ny marina dia nisy fiadanana, F&F 138:22 .
Ny Zanaka Lahitokako dia feno fahasoavana sy fahamarinana, Mos. 1:6 .
Ny vahoakan’i Ziona dia niaina tamim-pahamarinana, Mos. 7:18 .
I Abrahama dia mpandala ny fahamarinana, Abr. 1:2 .