Fanampiana amin’ny fandalinana
Egypta


Egypta

Firenena ao amin’ny zorony avaratra atsinanan’i Afrika. Ny ampahany lehibe amin’i Egypta dia tany karakaina sy ngazana. Ny ankamaroan’ny mponina dia monina eo amin’ny lohasaha Neily izay mahatratra 890 kilaometatra ny lavany.

Egypta fahizay dia nanan-karena sy niroborobo. Natsangana ireo asa vaventy, ka ao anatin’izany ny tatatra fitarihan-drano; ny tanàna mimanda fiarovana; ny trano kanton’ny mpanjaka, indrindra fa ireo fasana piramida sy tempoly izay mbola tafajanona ho anisan’ireo zavakanton’izao tontolo izao. Nisy fotoana nakan’ny governemanta Egyptiana tahaka ny lamin’ny patriarika amin’ny fisoronana (Abr. 1:21–27).