Fanampiana amin’ny fandalinana
Kanana, Kananita


Kanana, Kananita

Tamin’ny fotoan’ny Testamenta Taloha, zanakalahy fahefatr’i Hama (Gen. 9:22; 10:1, 6) ary zafikelin’i Noa. Ny hoe Kananita dia manondro ny mponina teo amin’ny tany izay nonenan’i Kanana tany am-piandohana, ary koa ireo taranany. Ny hoe Kananita koa dia anaran’ny vahoaka izay nonina tamin’ny faritra iva, manaraka ny morontsirak’i Mediteranea izay manemitra an’i Palestina. Nampiasaina indraindray izany anarana izany mba hilazalazana ireo mponina tsy Isiraelita rehetra tamin’ny ilany andrefan’i Jordana, izay nataon’ny Grika hoe Foinisiana.