Fanampiana amin’ny fandalinana
Fanasan’ny Tompo


Fanasan’ny Tompo

Ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny fanasan’ny Tompo dia enti-manondro ny ôrdônansin’ny fandraisana amin’ny mofo sy ny rano ho fahatsiarovana ny sorompanavotan’i Kristy. Ny mofo voatapatapaka dia maneho ny nofony rotidrotika, ny rano kosa maneho ny ra izay nalatsany hanonerana ny fahotantsika (1 Kor. 11:23–25; F&F 27:2). Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ny mpikambana mendrika ao amin’ny Fiangonana, dia mampanantena izy fa hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy, hahatsiaro Azy mandrakariva ary hitandrina ny didiny. Amin’ny alalan’io ôrdônansy io no anavaozan’ireo mpikamban’ny Fiangonana ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa.

Nanazava ny ôrdônansin’ny fasanan’ny Tompo i Jesoa nandritra ny fanasana farany izay niarahany nihinana tamin’ny Apôstôly Roa ambin’ny fololahy (Mat. 26:17–28; Lio. 22:1–20).