Maria Magdalena Vehivavy iray ao amin’ny Testamenta Vaovao izay lasa mpianatra mahatokin’i Jesoa Kristy. Ny anarana Magdalena dia avy amin’ny Magdala izay toerana niavian’i Maria. Ao amin’ny morontsiraka andrefan’ny Ranomasin’i Galilia no ahitana azy. Teo akaikin’ny hazofijaliana izy, Mat. 27:56 (Mar. 15:40; Jao. 19:25). Nanatrika ny fandevenana an’i Kristy izy, Mat. 27:61 (Mar. 15:47). Teo amin’ny fasana izy ny marainan’ny fitsanganana tamin’ny maty, Mat. 28:1 (Mar. 16:1; Lio. 24:10; Jao. 20:1, 11). Izy no nisehoan’i Jesoa voalohany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, Mar. 16:9 (Jao. 20:14–18). Devoly fito no nivoaka taminy, Lio. 8:2.