Araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, ny fianakaviana dia ahitana ny ray sy ny andefimandriny, ny ankizy ary indraindray ireo havana hafa miray trano na iray loham-pianakaviana. Ny fianakaviana koa dia mety ho ray na reny miaraka amin-janany, na mpivady tsy manan-janaka, na olona tokan-tena mipetra-drery.
Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, Gen. 12:3 (Gen. 28:14 ; Abr. 2:11 ).
Ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ny Isiraely Aho, Jer. 31:1 .
Ny voninahitrao dia ny ho fitohizan’ny taranaka mandrakizay, F&F 132:19 .
Homeko azy ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay ao amin’ireo ny tontolo mandrakizay, F&F 132:55 .
Ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny dia anisan’ny asa lehiben’ny fotoampahafenoana ny fotoam-pitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana, F&F 138:48 .
Lahy sy vavy no nahariako azy ary hoy Aho taminy: Maroa fara sy mihabetsaha, Mos. 2:27–28 .
Tsy tsara raha irery ralehilahy, Mos. 3:18 .
Niara-niasa i Adama sy i Eva, Mos. 5:1 .
Ireo andraikitry ny ray aman-dreny
Handidy ny zanany i Abrahama dia hitandrina ny lalan’ny Tompo ireo, Gen. 18:17–19 .
Hazoto hampianatra ny zanakao ireo teny ireo ianao, Deot. 6:7 (Deot. 11:19 ).
Izay tia zanaka dia manafay azy, Ohab. 13:24 (Ohab. 23:13 ).
Zaro amin’ny lalana tokony halehany ny zaza, Ohab. 22:6 .
Miravoravoa amin’ny vady izay tianao, Mpito. 9:9 .
Hampianatra ny zanakao rehetra ny Tompo, Isa. 54:13 (3 Ne. 22:13 ).
Tezao amin’ny fanabeazana araka ny Tompo izy, Ef. 6:1–4 (Enô. 1:1 ).
Raha misy olona tsy mamelona ny azy, dia efa nandà ny finoana izy, 1 Tim. 5:8 .
Izy dia namporisika azy ireo araka ny fihetseham-pon’ny ray be fiantra, 1 Ne. 8:37 .
Miresaka an’i Kristy isika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina, 2 Ne. 25:26 .
Samy tia ny zanany na ny lahy na ny vavy, Jkb. 3:7 .
Ampianaro hifankatia sy hifanompo izy ireo, Môzià 4:14–15 .
Hiaro ny fiankavianareo na dia hatrany amin’ny fandatsahan-dra aza ianareo, Almà 43:47 .
Mivavaha ao amin’ny fianakavianareo mba hitahiana ny vadinareo sy ny zanakareo, 3 Ne. 18:21 .
Tokony hampianatra ny zanany ny filazantsara ny ray aman-dreny, F&F 68:25 .
Ny lehilahy tsirairay dia voatery hamelona ny ankohonany, F&F 75:28 .
Ny ankizy rehetra dia manana zo amin’ny fanohanan’ny ray aman-dreniny, F&F 83:4 .
Tezao amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana ny zanakareo, F&F 93:40 .
Alamino ny ankohonanao, F&F 93:43–44, 50 .
Tsy tokony hitaona ny hafa afa-tsy amin’ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy ny mpihazona ny fisoronana, F&F 121:41 .
Ireo andraikitry ny zanaka
Manajà ny rainao sy ny reninao, Eks. 20:12 .
Anaka, mihainoa ny ana-drainao, Ohab. 1:8 (Ohab. 13:1 ; 23:22 ).
Nanoa ny ray aman-dreniny i Jesoa, Lio. 2:51 .
I Jesoa dia nanao ny sitrapon’ny rainy, Jao. 6:38 (3 Ne. 27:13 ).
Maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ny Tompo, Ef. 6:1 (Kol. 3:20 ).
Raha mibebaka ny zanaka, dia hahodina hiala ny fahaviniranao, F&F 98:45–48 .
Ireo zanakavavy mahatokin’i Eva dia nidera an’ilay Andriamanitra marina sy velona, F&F 138:38–39 .
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava ny toetra mandrakizain’ny fatoram-panambadiana sy ny fianakaviana. Ny fanambadiana selestialy sy ny fitohizan’ny isam-pianakaviana dia mahatonga ny ray sy ny andefimandry ho andriamanitra (F&F 132:15–20 ).