Satana. Ny devoly dia fahavalon’ny fahamarinana sy fahavalon’ireo izay mikatsaka ny hanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Ara-bakiteny dia zanak’ Andriamanitra ara-panahy izy ary anjely nanana fahefana taloha teo anatrehan’ Andriamanitra (Isa. 14:12; 2 Ne. 2:17). Nikomy anefa izy tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany sady naharesy lahatra ny ampahatelon’ny zanaky ny Ray ara-panahy hiara-hikomy aminy (F&F 29:36; Mos. 4:1–4; Abr. 3:27–28). Nazera avy tany an-danitra izy ireo sady nolavina ny mety hahazoany vatana mety maty sy ny handiavany ny fiainana an-tany, fa voaheloka mandrakizay kosa izy ireo. Hatramin’ny fotoana nanjerana ny devoly avy tany an-danitra, dia efa nokatsahiny lalandava ny hamitaka ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ny hitarika azy ireo hiala amin’ny asan’ Andriamanitra, mba hahatonga ny olon-drehetra ho fadiranovana tahaka azy (Apôk. 12:9; 2 Ne. 2:27; 9:8–9).
Ny fiangonan’ny devoly
Rehefa mety ho fikambanana eto an-tany ka mamohehatra sy araka ny fomban’izao tontolo izao, manimba ny filazantsara madio sady fanaperana ary miady amin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra.