Fanampiana amin’ny fandalinana
Magoga


Magoga

Ao amin’ny Baiboly, tany sy mponina akaikin’ny Ranomasina mainty. I Goga mpanjakany no hitarika ny tafik’i Magoga amin’ny ady lehibe farany mialoha ny Fiavian’i Kristy Fanindroany (Ezek. 38:2; 39:6). Ny Soratra Masina dia miresaka ny amin’ny ady lehiben’i Goga sy Magoga iray hafa izay hifanatrehan’ny herin’ Andriamanitra sy ny herin’ny devoly amin’ny faran’ny Arivotaona (Apôk. 20:7–9; F&F 88:111–116).